1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah , mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?

2 Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan'andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan'ny fahavaloko ho amboniko?

3 Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;

4 Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.

5 Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin'ny famonjenao ny foko.

6 Hihira ho an'i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;
